<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>319</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Mba iraho ny Fanahy,
 Ry Jesosy Tompo ô !
 Mba hanampy sy hitahy
 Ny mpiasa irakao.
 Tany mafy no asaina,
 Nefa kely izahay ;
 Marobe no tsy misaina
 Raha itorianay !
 Tanteraho re ny toky,
 Izay nomenao fahizay.
 Ka mombà anay mpitory
 Mandra-podi-mandrinay !

[V2]
 O, ry Masoandron'aina,
 Hazavao ny namanay,
 Mba fafazo andon'aina,
 Fa efa toy ny tany hay ;
 Tapa-kazo no hajainy,
 Ka tsy fantany ny To ;
 Feno aizina ny sainy,
 Efa momoka sy lo ;
 Ny sikidy mahavery
 No ataony solonao,
 Sampy vato, hazo kely
 No hajainy toa Anao.

[V3]
 Averenonao ireny
 Mba ho tonga olonao ;
 Tadiavo tsy ho very,
 Raiso re fa lovanao !
 Entonao ny famonjena
 Ka ovay ny fony izao ;
 Aoka hisy sesehena
 Ny hanaiky ho Anao !
 Dia hiova re ny tany
 Ka hanjary lonaka,
 Ary hisy voa mamy
 Izay ho tena vokatra.

[V4]
 Aoka re mba tsy ho rava
 Ny mazava hitanay !
 Mba handroso lalandava
 Ny anjara asanay,
 Mba ho dera aman-daza
 Ho Anao, ry Tomponay !
 Hatanjaho ny mpiasa,
 Dia tsy mba hety fay ;
 Aoka re ny olo-mino
 Mba hamory ho Anao,
 Ka hitombo be ny mpino
 Hiandany Aminao.</lyrics>
<title>Mba iraho ny Fanahy ry Jesosy Tompo o! FFPM319</title>
<author>S.J. Vail</author>
</song>